James 3

1Tsy olona maro no tokony ho lasa mpampianatra, ry rahalahiko. Fantantsika fa handray fitsarana mafy kokoa isika. 2Fa isika rehetra dia tafintohina amin’ny fomba maro. Raha misy tsy tafintohina amin’ireo teny, dia lehilahy matotra tanteraka izy, afaka mifehy na dia ny tenany iray manontolo aza.

3Ary raha asiantsika lamboridy eo ambavan’ireo soavaly mba hankatoavan’izy ireo antsika, dia afaka mitondra ny vatan’izy ireo iray manontolo ihany koa isika. 4Jereo ihany koa fa ireo sambo, na dia lehibe tokoa aza izy ireny ary entin’ny rivo-mahery, dia voavilin’ny familiana tena kely any amin’izay rehetra tian’ny mpanamory.

5Toy izany koa ny lela dia rantsana kely amin’ny vatana, kanefa izy dia mihambo zavatra betsaka. Jereo ihany koa ny hakelin’ny afo izay mandoro ala be. 6Ny lela ihany koa dia afo, tontolon’ny fahotana napetraka teo amin’ny ratsam-batantsika. Izany dia manisy pentipentina ny vatana iray manontolo ary mandoro ny lalam-piainana. Arehitrin’ny helo ny tenany.

7Fa ny karazam-bibidia rehetra, vorona, biby mandady, ary zava-boaharin-dranomasina dia folaka ary nofolahin’ny olombelona. 8Fa momban’ny lela, tsy misy olona mahavita mamolaka izany. Io dia ratsy tsy hay fehezina, feno poizina mahafaty.

9Amin’io no hiderantsika ny Tompo sy ny Ray, ary amin’io no hanozonantsika olona, izay natao nitovy tamin’Andriamanitra. 10Avy amin’izany vava izany ihany no hivoahan’ny fitahiana sy fanozonana. Ry rahalahiko, tsy tokony hitranga ireo zavatra ireo.

11Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy avy amin’ny fivoahany? 12Moa ny hazon’ny aviavy va, ry rahalahiko, mamoa oliva? Na ny voaloboka, mamoa aviavy? Ny rano masira koa dia tsy afaka hanome rano mamy.

13Iza no hendry sy mahalala eo anivonareo? Avelao izany olona izany hampiseho fiainana tsara amin’ny asany amin’ny fanetren-tenan’ny fahendrena. 14Fa raha manana fialonana mangidy ianareo ary fanirian-daza ao am-ponareo, dia aza mihambo na mandainga manohitra ny marina.

15Izany dia tsy fahendrena izay nidina avy any ambony. Fa kosa, avy amin’ny tany, ny tsy ara-panahy, ny demoniaka izany. 16Fa any amin’izay misy fialonana sy fanirian-daza, dia misy fifanjevona sy fanaovana ny ratsy rehetra. 17Fa ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, avy eo feno fiadanana, malemy fanahy, mihevitra ny hafa, feno famindram-po sy vokatra tsara, tsy malemy, ary tsotra. Ny vokatry ny fahamarinana dia voafafy am-piadanana eo anivon’ireo izay mampihavana.

18

Copyright information for PltULB